<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Jeso o! Midina FFPM241</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ô ! midina,
 Jereo izahay izao ;
 Atreho sao variana,
 Ka tsy mahita Anao,
 Hazoninao ny saina,
 Hijery tsara Anao,
 Mba tsy ho very maina
 Izao fivoriana izao.

[V2]
 Ry Jeso ! hamasino
 Ny toe-piainanay,
 Ka dia ampidino
 Ny hery ho anay ;
 Ny bitsika mangina
 Ataovinao izao,
 Hamelom-paniriana
 Hanao ny sitrakao.

[V3]
 Ry Jeso ô ! monena,
 Midira Hianao,
 Ny fonay mamantena
 Handray Anao izao ;
 Ka izay misalasala
 Ampaherezonao,
 Dia taomy hahalala
 Ny fitiavanao.

[V4]
 Ny hatakay mangina
 Henoy ka valio,
 Koa dia mitenana
 Hianao ankehitrio,
 Ry Jeso ! Mpanazava
 Ny dianay atý,
 Omàny lalandava
 Ny fonay ho arý.</lyrics>
<hymn_number>241</hymn_number>
<author>Ch. Rasoanaivo</author>
</song>